dimanche 12 juillet 2009

Sava ranon’ando amin’ny dinika sy teny ieràna hampitsaharana ny herisetra sy ny fifamonoana

11 Jolay 2009


Ny zavatra mazava dia ny firenena demokratika raha oharina amin’ny firenena tsy demokratika dia mandroso lavitra, milamina kokoa ary koa mahita fahombiazana.
Ny fanaovana fifidianana dia tsy ampy hilazàna fa demokratika ny firenena iray.
Ny zavatra azo antoka kosa dia ireto ny hahafantarana fa tsy demokratika ny fitondràna iray:
1. Fandravàna (repression) amin’ny fomba maro ny fihetsehambahoaka
2. Mpitondra mampitombo ny harenany amin’ny fihinànana ny volambahoaka
3. Ny polisy sy ny douaniers voakolikoly
4. Didin’ny be sandry no mihatra fa tsy ny lalàna, izany hoe zay manana ny hery no manana ny marina
Ny mifanohitra amin’ny demokrasia dia ny fanjakàna didy jadona, izany hoe ny fanjakàna tsy mihaino fa dia manao ny lalànany na tian’ny vahoaka na tsy tiany.
Ny marika ahalalàna fa demokratika ny firenena iray dia izao:
1. Manaiky ny fahereseny izay resy amin’ny fifidianana
2. Tsy manao tsindrio fa lavo ny mpandresy fa manome anjara fitenenana ny mpanohitra
3. Manao ny asany am-pahalalàhana ny mpanao gazety
Tsy tonga ho azy anefa ny demokrasia fa toy ny olona mila mihinana mba ho velona dia mila sakafo koa izy ka ireto izany:
1. Ny rafimpitondràna marina, mahomby sy mangarahara
2. Solombavambahoaka matanjaka sy feno fahatsora-po
3. Mpanao gazety, mpitsara sy polisy mahaleotena
4. “Secteur privé” sy “société civile” mailaka
Tsy misy rafitra modelin’ny demokrasia fa samy manana ny azy araky ny firenena fa ireto kosa no tsy maintsy itovizan’izy rehetra :
1. Fitondràna voatantana tsara (bonne gouvernance)
2. Solontenambahoaka manaramaso ny fitondràna mba tsy hanararao-pahefàna
3. Mpanohitra manana ny zony hiteny, hanome ny heviny
4. Fanjakàna tan-dalàna mampihatra amim-pahamarinana ny lalàna
5. Politika mazava amin’ny ady amin’ny kolikoly
6. Fandraisana anjaran’ny daholobe amin’ny raharahampirenena
Ny tena marina dia dikan-teny malalaka ny kabarin’ny Filoha Obama tany Accra ny asabotsy 11 jolay 2009 (tapany voalohany momba ny demokrsia io fa ny tapany faharoa momban’ny politikam-pampandrosoana sy ny fahasalàmana ary ny ekolojia dia mbola havoaka manaraka eto).

Aucun commentaire: