TOKO TELO HO FANORENANA NY FIRENENA SY HO AN'NY FANDROSOANA
1. Fantaro iza no diso ary aoka hiaiky heloka sy hifamela: Fampihavanam-pirenena
Ny ankamaroan'ny Malagasy, leon'ny lainga tsara lahatra sy tofoky ny fanarotsaronana ny hevitra mety hampisara-bazana, dia vonona hiatrika amim-pahendrena sy amim-pahatoniana ny marina momba ny:
* fiandohàn'ny firenena Malagasy ("Ny ranomasina no valam-parihiko" ets.),
* ny zava-niseho tamin'ny ady ho amin'ny fahaleovantena (Sadiavahy, Menalamba, Jiny sy ny Panama, MDRM, PADESM ets.),
* ny fizotry ny fiverenan'ny fahaleovantena (ny safidy Tsiranana),
* ny tao am-badiky ny krizy maro nandalovan'ny firenena mandrak'androany (1971,1972, 1973, 1975,1984, 1985, 1991, 2002, 2009, 2010, 2011).
Ilaina ny adihevitra ampahibemaso hahalalàna ny marina ara-tantara amin'izay zavatra niseho, mba hialàn'ny lonilonim-po ka hahafahana miroso amin'ny fampihavanana tanteraka sy maharitra.
Haharihary ho hitam-bahoaka ny vokatr'izany lohabary an-dasy izany ka ho hita eo ireo nahavita heloka sy ireo niharan'ny tsy mety. Aorian'izay dia miroso amin'ny fifonana sy ny famelan-keloka.
Tsy maintsy hovakiana bantsilana izay rehetra mety hampisarabazana ny Malagasy mba hahafahany miatrika amim-pahatoniana ny asa fampandrosoana ny firenena ho fampisondrotana ny faripiainan'ny Malagasy tsivakivolo ary indrindra indrindra mba hampiray marina ny Malagasy.
Roa ny fahavalon'io "tena fampihavanana" io :
* Ireo sahy mandà ankitsirano fa tsy mila fampihavanana izany ny Malagasy satria hono tsy miady.
* Ireo zay mihevitra fa vitan'ny fitenenana fotsiny ny fampihavanana, ireo zay mionona fotsiny amin'ny kabary tsara lahatra toy ny hoe: "tsara ny mihavana fa samy Malagasy isika", "aok'izay ny adiady fa andao hiara-miasa" dia arahina fifandraisan-tànana dia samy miala.
2. Avoty ny madinika: fandraisan'ny fokonolona an-tànana ny fampandrosoana amin'ny alàlan'ny fokonolona Ratsimandrava
Ny ankamaroan'ny Malagasy dia mahantra tanteraka tsy manan-ko hanina mihitsy, ny ankizy tsy ary fitaovana mandeha any an-tsekoly amin'ny kibo tsy feno, ny vokatry ny mpamboly vao eny am-potony dia amidy mba hivelomana ary raiki-trosa vao tonga indray ny taom-pamokarana manaraka, ny zanaka mba efa miasa niakatra an-drenivohitra very asa fa nikatona ny orinasa nohon'ny krizy, ny mivelona amin'ny asa fitaterana ataon'ny mpandroba mahita faisana, ny fitaovan'ny mpiasa ho an'ny tenany simba daholo tratran'ny delestazy, tsy lazaina intsony ireo tsy manan-kialofana,ireo voatery mivarotra ny tenany, na mangalatra ary mahafaty olona mihitsy hahazoana 1000 ariary.
Kanefa , ny ankamaroan'ny Malagasy koa na reraka aza dia tsy manaiky resy fa miady mafy amin'ny fianana, manao ny ainy tsy ho zavatra hitadiavana izay hohanin'ny zanany sy handehanany an-tsekoly na dia hofenoina tsikelikely arak'izay tratra aza ny fitaovana,miezaka amin'ny fambolena, ny fiompiana, manao izay tratry ny hery hahitàna asa hafa fa nikatona lay orinasa niasàna teo aloha.
Vonona handray an-tànana ny ho aviny ny vahoaka raha apetraka ny rafitra ahazoany manatanteraka izany, raha avela izy hamaritra ny laharapahamehany, hitady ny vahaolana momba izany ary hanatanteraka ny lamina ho enti-manatontosa izany.
Ny làlana ho amin'izany dia ny famerenana amin'ny toerany ny "fokonolona Ratsimandrava" amin'ny fametrahana miandàlana ny ambaratongam-pahefana rehetra: ny fokontany, ny firaisam-pokontany, ny fivondronam-pokotany, ny faritany ary dia hiafara amin'ny fandrafetana ny lalàna fototra izay lalàna mandrindra sy mibaiko ny fitondràna eo anivon'ny ny Fanjakam-pokonolona. Io lalàna io no hamaritra ny andri-panjakàna ao anatin'ny Fanjakam-pokonolona. Heverina ho vita ao anatin'ny 5 taona fe-potoana faharetan'ny hahavoafidy ny filoha ireo rafitra ireo ary hatolotra ho lanian'ny fokonolona.
3. Omano ny ho avy amin'ny fikarakaràna ny taranaka fara aman-dimby: politikam-panabeazana avo lenta
Miainga amin'ny fahatsapàna fa tsy ho ary mitovy daholo ny rehetra fa samy manana ny talentany (misy ny havànana amin'ny mozika, ao ny havànana amin'ny fantanjahantena, misy ny mirona amin'ny asa-tànana ary misy ny mankafy ny asa-saina) dia faritana fa ny tanjon'ny sekolin'ny repoblikan'ny Fokonolona dia ny hanao izay hahafantaran'ny tsirairay ny manavànana azy ary handrosoany sy hivelarany amin'izany ka hahazahoany miaina tsara sy mamelona ny ankohonany sy hitondrany ny anjara-birikiny amin'ny fikatsahana ny soa ho an'ny tanindrazana.
Anjaran'ny sekoly ny manao izay hanomezana fahalalàna, fahaizana, fahendrena sy fitondra-tena ilaina haombiazan'ny tsirairay ny fianarany, ny fiainany amin'ny maha-olona azy ary amin'ny maha-olom-pirenena azy.
Hisy paika manokana hanantanterahana ny tanjona hanaovana ho amin'ny teny Malagasy ny fampianarana. Hatao vain-dohan-draharaha izany ary tsy hatao tery vay manta fa manome 5 taona isika hahalavorary izany ho an'ny fampianarana alohan'ny bakalorea aloha.
Havaozina tanteraka ny ambaratongan'ny fampianarana ka hisy dingana roa.
Ao amin'ny ny "dingana fanomanana" dia fampianarana feno (fampianarana mampiaraka ny fampianarana ankapobe sy ny fampianarana asa) no harahin'ny mpianatra. Raha atao safobemantsina, ny maraina dia fampianarana ankapobeny ary ny tolakandro dia fianarana tenim-pirenena, fanatanjahantena, fianarana asa, kolotsaina sy zavakanto, lalao fanitaran-tsaina.. Malalaka ny sekoly na vondrona sekoly amin'ny fitsinjarana ny ora ho an'ny taranja tsirairay mandritra ny 10 ka hatramin'ny 12 taona aharetan'io dingana io. Fa hisy fanadinana iraisan'ny rehetra hamaranana io dingana io ary hidirana eo amin'ny "dingana fianarana asa" araka izay maha-havànana ilay mpianatra sy izay ilain'ny firenena: dokotera, mpampianatra, injeniera, mpanao trano, mpitondra fanjakàna etsetra.