samedi 12 mars 2011

Aiza ho aiza ny tolon’ny mpandala ny ara-dalàna?

Aiza ho aiza ny tolon'ny mpandala ny ara-dalàna?

By Rafilm Gaskam · 12 hours ago

A- Jery todika amin'ireo krizy hatramin'ny fahaleovan-tena

1972 : Avy hatrany dia nanana ny fahefàna rehetra ny Jeneraly Ramanantsoa

1989:  Ny filohan'ny Tetezamita Zafy Albert sy ny praiminisitry ny Tetezamita Razanamasy no nanana ny fahefàna rehetra

1991: Ny filoha vonjimaika Ratsirahonana no nanana ny fahefàna feno

2002:  Volana maro taty aoriana vao nanana ny fahefàna feno ny filoha Ravalomanana

2009: 2 taona taty aoriana, mbola tsy mahazo fankatoavana ihany ny filohan'ny FAT Rajoelina. Voatery hizara ny fitondràna amin'ny praiministra tsy avy ao amin'ny antokony, ny governemanta iraisana amin'ny ankolafy hafa. Ny fanatanterahana ny fifidianana aza dia miala aminy fa ny CENI iraisana amin'ny ankolafy hafa sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena no miandraikitra azy.

Izay no zava-misy, ny ankoatr'izay dia resabe, fitadiavana hampiseho hoe zaho no nandresy.

B- Nahomby ve ny tolona?

Ny tolona dia nanomboka tamin'ny fangalàn'i Rajoelina ankeriny ny fitondràna. Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra ary ny vokatra dia nanahoana?

Misy telo (3) ny mpifanandrina:

1.      Ny mpanonga-panjakàna tompon'ny fahefàna amin'izao (FAT) izay mitady ny hitondra irery ny tetezamita ary indrindra manao izay hanilihana an-dRavalomanana sy ny ekipany. Andao hantsointsika hoe "movansy mpanonga-panjakàna" ity sokajy voalohany ity.

2.      Ny mpitaky ny hiverenan'ny ara-dalàna, izay mizara roa:

2.1. Ny mitaky ny hitondràna miaraka ny tetezamita: miara-mitondra ny mpifandrina rehetra fa tsy misy ailika. Ny movansy Ravalomanana no lohalaharana amin'izany miaraka amin'ny 3 movansy. Andao hantsointsika hoe "movansy legalista mandàla ny marimaritra iraisana" ity sokajy faharoa ity.

2.2. Ny mitaky ny hanalàna an-dRajoelina sy hitondràna ny tetezamita tsy miaraka aminy. Tsy dia hita loatra izay mpitarika ity sokajy ity fa toa ny avy ao amin'ny 3 movansy tsy mahatanty ny hetraketraky ny FAT no tena mpanohana azy ity. Heverina koa fa ny ankamaroan'ny olona mitokona eny amin'ny MAGRO dia mirona amin'ity sokajy fahatelo ity. Ny azo kilasiana ho ao anatin'ity hatramin'ny voalohany dia ny movansy legalistan'i FRDL. Ao amin'ny 3 movansy dia azo lazaina fa ny MFM sy ny movansy Zafy no saika mora mirona amin'ity sokajy ity raha vao mafanafàna ny toe-draharaha. Andao hantsointsika hoe "movansy legalista hiringiriny" ity sokajy fahatelo ity.

Ny movansy mpanonga-panjakàna:

Ity movansy ity aloha dia azo lazaina ho nandresy satria na dia neken'izao tontolo izao hoe fanongana-panjakàna aza ny nataony, na dia eo aza ny fifanarahan'ny Afrika tsy hanaiky mihitsy ny fanongana-panjakana, dia toa hisokatra ho azy ihany ny fankatoavana iraisam-pirenena ary toa hijanona ho mpitondra ny tetezamita ny mpitarika azy.

Na izany aza anefa, raha ampitahaina amin'ny krizy rehetra teo aloha dia tena resy ity movansy ity. Satria tsy afaka nitondra irery taoriann'y fanonganam-panjakàna nataony ary tsy afaka manao ny tiany hatao amin'ny fifidianana ho avy izay ho eo ambany fiahian'ny firaisambe iraisam-pirenena izany.   

Ny movansy legalista mandàla ny marimaritra iraisana:

Azo lazaina ho mpandresy koa ity movansy ity satria dia tena niainga avy lavitra be: nitsoaka any Afrika atsimo ny mpitarika taorian'ny fanongana-panjakàna nefa dia tafaverina teo afovoan'ny fifampiraharahàna ary dia nahazo antoka ho mpiara-mitantana ao anatin'ny tetezamita. Araky ny fahaizany miady amin'ny toerana ho azony eo anivon'ny tetezamita no ahazoana mandrefy na lehibe io fandresena io na tsia ka ahafahany manana lanja amin'izay ho fizotran'ny fifidianana rehetra manaraka eo.

Na izany aza anefa dia mangidy fara ihany ho azy izany fandresena izany satria dia tsy mbola fantatra izay ho avin'ny filoha teo aloha na ho afaka hilatsaka na tsia.

Ny movansy legalista hiringiriny:

Ity movansy ity angamba no tena resy tamin'izao krizy izao satria ankoatry ny tanjona voalohany izay tsy tafita izany hoe ny fanesorana an-dRajoelina, dia sady tsy ho tafiditra hiara-mitantana ny tetezamita izy (tsy mitady izany rahateo rizareo), noho izany dia tsy tompon'ny fitantanana ny fifidianana.

Mety hivadika ho tombombarotra anefa izao fijoroanany hatramin'ny farany tsy hiara-miasa amin'ny mapanonga-panjakàna izao amin'ny fifidianana ho avy.

C- Fehiny:

Toe-draharaha roa  mifanohitra no tsy maintsy tantànan'ny "movansy legalista mandàla ny marimaritra iraisana":

1-  Amin'ny lafiny iray tsy mety aminy zato isan-jato ny "tondro-zotra Simao".  Noho izany dia tsy afaka hanao sonia an'io izy fa tsy maintsy mbola hiady mafy fara-faharatsiny amin'ireto zavatra telo ireto:

         i) Fiverenan'i Ravalomanana alohan'ny fifidianana sy fahazahoany milatsaka ho fidina

         ii) Fampihenàna ny fahefan'ny filohan'ny Tetezamita sy ny fanamboarana hafa mba haha-tetezamita iraisana sy mifandanja marina ny tetezamita

         iii) Fahazahoana ny toeran'ny praiminisitra ho an'ny "3 movansy"

2-   Etsy an-daniny anefa tsy afaka manapaka tanteraka ny fandraisana anjara amin'ny fanomanana ny tetezamita satria io ihany no làlana hahazahoana mifehy sy manana lanja amin'ny fifidianana ho avy. Raha voasintaka tsy ho ao anatin'ny mpitondra ny tetezamita izy dia very maina ny tolona nandritry ny roa taona.

Sarotra dia sarotra ny mampifanindran-dàlana ireo tanjona roa ireo ka izay no mahatonga ny tetika maro samihafa izay tsy azon'ny vahoaka ka heveriny ho famadihana ny tolona (rango-pohy, sonia manamarina ny fahatongavana, fahatongavana teny Ivato hampisehoana fa miady hiara-mitondra ny tetezamita ets.).

Mbola sarotra  lavitra noho izany koa ny miady hanana toerana maro sy ambony eo amin'ny fitondràna ny tetezamita satria dia heverin'ny vahoaka ho fitadiavan-tseza nefa dia ny mba hananana lanja amin'ny fifidianana manaraka.

N'inona n'inona ataon'ireo mpitarika ity "movansy legalista mandàla ny marimaritra iraisana" dia voasoketa ho mpamadika na mpitady seza.

Ny fiadiana farany hitan'ny mpitarika ny "movansy legalista mandàla ny marimaritra iraisana" ary dia ny filoha Ravalomanana mihitsy no hatonina hanao ny asa satria mino rizareo fa tsy hisy hihevitra fa namadika an-dRavalomanana Ravalomanana. Dia miandry ny tohin'ny tantara isika rehetra.

Tsy maintsy mandresy ny tolona.

zandrigasy

mercredi 9 mars 2011

Maika hamaha krizy fa ritra ny vola ka tsisy harapaka...

by Rafilm Gaskam on Saturday, March 5, 2011 at 5:45pm

Rizareo mpifanandrina ireo no hahazo tombotsoa voalohany amin'ny firavàn'ny krizy maimaika fa tsy ny vahoaka. Manomboka ritra ny vola, tsy nisy harapaka, ka dia maika rizareo hisokafan'ny fantsona hidiran'ny vola. Satria ny kriziny dia tsy ireo mpiray tanindrazana aminy very asa fa ny tsy fisian'ny vola intsony hanaovany kapok'ombin'ny tsy miala vola sy tantely afa-drakotra ny volambahoaka.


Noho izany rehefa tena tsy misy horaisina ireo ka voaambina tsara ny harempirenena (ny kely anànana) tsy hahafahany mahita fidirambola hafa dia hifanatona ho azy ireo hamaha ny olana; tsy nohon'ny vahoaka (fa aza diso hevitra isika) fa satria lany ny paiso ao an-kady ka ny kibony efa tsy mahalala onona fa efa zatra niliba no mitady hohanina.


Lazainy fa maika dia maika ny hivoahana amin'izao krizy izao. Hoy isika mamaly azireo hoe: eny tompoko fa kosa ny tena zavadehibe dia ny tsy hiverenan'ny krizy intsony any aoriana noho izany tsy mila firotorotoana fa famahàna krizy maharitra no tadiavina fa tsy famahàna kitapombola hanaovanareo ny danin'ny kibonareo.


Samy may amin'ny voatavo atonony: ny azy ireo ny hanaovana ny mahazatra dia ny ny hihinana,hihinana, hihinana ihany fa ny an'ny vahoaka dia ny mba hahitàna fandrosoana (tsy dia hoe hanakarembe fa mba hihinana, hisotro, hifety, hampiana-jaza) ka tsy hiverina hatramin'ny voalohany foana isaky ny 6 na 7 taona ka ho kila sy forehitra izay nohariana sy najoro. Nefa anie dia lazaina fa ny vahoaka no tompon'ny fahefàna ê! Ny tompony indray izany ity no mangataka ny atiny, loza.


Efa fantatra mazava ny làlana amin'izany fa tsy eken'ireo mpifanandrina ireo dia:


1. Ilaina mifampiambina rizareo satria ny tànana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkona intsony. Tsy mahay mifehy tena intsony ireo fa efa jamban'ny vola. Noho izany dia mila an-drizareo miara-mitantana ny tetezamita ny vahoaka. Rehefa vitany izay vao afaka miverina izy milaza amin'ny Fianakaviambe iraisampirenena (izay azo lazaina ho ray amandreny) fa vonona amin'ny firosoana amin'ny famahàna ny krizy.


2. Takian'ny vahoaka ny hanajanonany ny fivarotany ny tanindrazana amin'ny alalàn'ny fanaovana sonia drafitrasa amin'ny any ivelany amin'ny fitrandrahana ny harempirenena mandrapijoron'ny fanjakàna ara-dalàna.Eo amin'ny fanampiana antsika hanakànana izany no hahitantsika raha mikatsaka ny hahasoa antsika marina ireo ray aman-drenintsika eo anivon'izao tontolo izao (ONU, UE, UA sns) amin'ny alàlan'ny fanasaziana izay firenena na vondron'olona mandika izany.


3. Mba tsy hiverenan'ny krizy intsony dia tokony hajoro haingana ny komisiona hanadihady sy hanao famotorana momba ny raharaha rehetra nifandimby (1972, 1991,2002,2009-2011). Ny tanjon'io komisiona io dia tsy ny hanasaziana hampidirana am-ponja fa mba hanamora ny fifamelan-keloka sy ny fampihavanana. Tsy ny fanafinafenana sy ny fanondroana molotra an'itsy na iroa no hahafahana mamela heloka sy mihavana fa ny fampisehoana miharihary (ampahibemaso), marina (satria famotorana tsy mitanila sy feno) sy mazava ny andraikitry ny tsirairay:"iza no nahavita ireny heloka bevava namoizana ain'olona ireny, iza no mpiray tsikombakomba, firenena vahiny iza no namatsy sy nanohana sns...". Tsy ho iray andro no haharetan'ny asan'io komisiona io fa amam-bolana maro.


http://www.facebook.com/#!/notes/rafilm-gaskam/famah%C3%A0na-maharitra-ny-krizy-sa-famah%C3%A0na-maimaika-hahazahoana-fankatoavana-hidi/145605018837399

dimanche 6 mars 2011

Osons la vraie transition consensuelle et inclusive

Les institutions de transition doivent répondre à 2 impératifs :

  1. Ne doivent pas servir pour caser ou récompenser les soutiens
  2. Vont exécuter essentiellement le travail quotidien d'un gouvernement sans engager le pays dans des contrats à caractères économiques à long terme d'une part et de conduire le pays à des élections libres et équitables d'autre part

Donc, par rapport aux institutions « normales », elles devront comporter largement moins de membres.

Voici la proposition :

A)Les acteurs politiques majeurs seront au nombre de 6 , 3 du coté de la majorité de fait, et 3 de l'opposition à l'actuelle autorité FAT :

  1. « La majorité présidentielle » composée du TGV, UDR, certains membres de l'Escopol ou des « autres sensibilités » actuelles selon leur réelle affinité affichée.
  2. La Mouvance Zafy Albert.
  3. La Mouvance Didier Ratsiraka.
  4. La Mouvance Ravalomanana
  5. L'Escopol.
  6. Les Autres Sensibilités composées de l'UAMD de Monja Roindefo, du MDM de Pierrot Rajaonarivelo.


B)Les institutions de la transition :


  1. Le président de la transition
  2. Un gouvernement de 11 ministres dirigé par le président de la transition. On n'a pas besoin d'un premier ministre pour la transition.

    La procédure de répartition des ministères devront être simples et justes :

    1. Chacun des 6 acteurs politiques majeurs donneront 2 noms : 1 nom pour les 6 ministères de fortes influences en période de transition (Présidence de la transition, Affaires étrangères, Economie et Finances, Intérieur, Affaires culturelles, Justice) et 1 autre nom pour les autres ministères (Défense nationale, Développement rural, Aménagement du territoire, Affaires sociales, Information, Fonction publique et travail).
    2. On procédera ensuite au tirage au sort pour affecter chaque personne à chaque poste. Si pour une raison ou une autre, la transition devrait être prolongée au-delà de la durée prévue (7 mois, 11 mois, 15 mois ?), on procèdera à un autre tirage au sort parmi les membres du gouvernement pour remplacer le président de la transition. Ce dernier prendra en charge le ministère du nouveau président.
  3. Le Conseil Supérieur de la transition (CST), organe chargé de contrôler le travail du Gouvernement de Transition, et de ratifier les ordonnances adoptées pendant la transition, en particulier celles qui concernent le processus électoral. 120 membres seront largement suffisants. Chacun des 6 acteurs politiques majeurs donneront 20 noms.

NB : On n'a pas besoin d'un 2è organe législatif comme le Congrès de la transition dans un régime de transition.