mercredi 9 mars 2011

Maika hamaha krizy fa ritra ny vola ka tsisy harapaka...

by Rafilm Gaskam on Saturday, March 5, 2011 at 5:45pm

Rizareo mpifanandrina ireo no hahazo tombotsoa voalohany amin'ny firavàn'ny krizy maimaika fa tsy ny vahoaka. Manomboka ritra ny vola, tsy nisy harapaka, ka dia maika rizareo hisokafan'ny fantsona hidiran'ny vola. Satria ny kriziny dia tsy ireo mpiray tanindrazana aminy very asa fa ny tsy fisian'ny vola intsony hanaovany kapok'ombin'ny tsy miala vola sy tantely afa-drakotra ny volambahoaka.


Noho izany rehefa tena tsy misy horaisina ireo ka voaambina tsara ny harempirenena (ny kely anànana) tsy hahafahany mahita fidirambola hafa dia hifanatona ho azy ireo hamaha ny olana; tsy nohon'ny vahoaka (fa aza diso hevitra isika) fa satria lany ny paiso ao an-kady ka ny kibony efa tsy mahalala onona fa efa zatra niliba no mitady hohanina.


Lazainy fa maika dia maika ny hivoahana amin'izao krizy izao. Hoy isika mamaly azireo hoe: eny tompoko fa kosa ny tena zavadehibe dia ny tsy hiverenan'ny krizy intsony any aoriana noho izany tsy mila firotorotoana fa famahàna krizy maharitra no tadiavina fa tsy famahàna kitapombola hanaovanareo ny danin'ny kibonareo.


Samy may amin'ny voatavo atonony: ny azy ireo ny hanaovana ny mahazatra dia ny ny hihinana,hihinana, hihinana ihany fa ny an'ny vahoaka dia ny mba hahitàna fandrosoana (tsy dia hoe hanakarembe fa mba hihinana, hisotro, hifety, hampiana-jaza) ka tsy hiverina hatramin'ny voalohany foana isaky ny 6 na 7 taona ka ho kila sy forehitra izay nohariana sy najoro. Nefa anie dia lazaina fa ny vahoaka no tompon'ny fahefàna ê! Ny tompony indray izany ity no mangataka ny atiny, loza.


Efa fantatra mazava ny làlana amin'izany fa tsy eken'ireo mpifanandrina ireo dia:


1. Ilaina mifampiambina rizareo satria ny tànana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkona intsony. Tsy mahay mifehy tena intsony ireo fa efa jamban'ny vola. Noho izany dia mila an-drizareo miara-mitantana ny tetezamita ny vahoaka. Rehefa vitany izay vao afaka miverina izy milaza amin'ny Fianakaviambe iraisampirenena (izay azo lazaina ho ray amandreny) fa vonona amin'ny firosoana amin'ny famahàna ny krizy.


2. Takian'ny vahoaka ny hanajanonany ny fivarotany ny tanindrazana amin'ny alalàn'ny fanaovana sonia drafitrasa amin'ny any ivelany amin'ny fitrandrahana ny harempirenena mandrapijoron'ny fanjakàna ara-dalàna.Eo amin'ny fanampiana antsika hanakànana izany no hahitantsika raha mikatsaka ny hahasoa antsika marina ireo ray aman-drenintsika eo anivon'izao tontolo izao (ONU, UE, UA sns) amin'ny alàlan'ny fanasaziana izay firenena na vondron'olona mandika izany.


3. Mba tsy hiverenan'ny krizy intsony dia tokony hajoro haingana ny komisiona hanadihady sy hanao famotorana momba ny raharaha rehetra nifandimby (1972, 1991,2002,2009-2011). Ny tanjon'io komisiona io dia tsy ny hanasaziana hampidirana am-ponja fa mba hanamora ny fifamelan-keloka sy ny fampihavanana. Tsy ny fanafinafenana sy ny fanondroana molotra an'itsy na iroa no hahafahana mamela heloka sy mihavana fa ny fampisehoana miharihary (ampahibemaso), marina (satria famotorana tsy mitanila sy feno) sy mazava ny andraikitry ny tsirairay:"iza no nahavita ireny heloka bevava namoizana ain'olona ireny, iza no mpiray tsikombakomba, firenena vahiny iza no namatsy sy nanohana sns...". Tsy ho iray andro no haharetan'ny asan'io komisiona io fa amam-bolana maro.


http://www.facebook.com/#!/notes/rafilm-gaskam/famah%C3%A0na-maharitra-ny-krizy-sa-famah%C3%A0na-maimaika-hahazahoana-fankatoavana-hidi/145605018837399

Aucun commentaire: