dimanche 13 novembre 2011

“Hanangana ny firenena Malagasy, ao anaty fampihavanana”

Izay no fanambin'ny 5 taona ho avy, izay no miandry izay ho filoha voafidy amin'ny taona ho avy hitondra ny firenena, ary indrindra izay no antoka tsy hiverenan'ny krizy intsony eto amin'ny firenentsika.

Maro ireo efa mivoy io hevitra io hatry ny ela na antoko politika, na fikambanana na olon-tsotra, ary inoana (na antenaina) fa ho eo anivon'ny adi-hevitra mandritry ny fifidianana ho avy amin'ny taona 2012 izany fonja-kevitra izany.

Alohan'ny handrosoana ho anao ity lahatsoratra niseho tao @ mydago.com tamin'ny 9 jona 2011 hirosoana lavidavitra amin'ny fandalinana ny « fananganana firenena Malagasy ao anaty fampihavanana » dia tianay ny mampahatsiahy ny andry 2 iankinan'io dia ny:

1) Fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena

2) Fandrafetana ny dinam-piaraha-monina sy ny fananganana ny fanjakàna entim-bahoaka.

Mazotoa ary.


 

Source: myDago.com

Hivereno ny Tantara !

9 juin 2011

by Ony Rambelo

Ny dikan'ny famindra-pahefan'ny ny Jeneraly RAMANANTSOA ?

"Rotaka » tsy nifankahitana no niseho eran'ny tanàna tamin'ny 13 mey 1972. Io dia tohin'ny hetsika sy lonilony isam-paritra efa niainga avy tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy tany ny 1 aprily 1971. Tsy zakan'ny Gasy ny fampiharana ny politikan'ny fanjanahan-tany vaovao, sy ny fitantanana ny toe-karena teto ho mbola teo ampelatanan'ny vazaha hatrany. Rehefa tratran'ny tery vay manta ny fitondrana PSD dia tsy maintsy nitady ny ho lalan-kivoahana mba metimety kokoa. Ny 18 mey 1972 ihany dia ny Jeneraly Ramanantsoa no nampandry sy nampitony ny fihetsehana ary nahazo ny fahefana feno.

Tetezamita ara-politika hitondrana ny tany sy ny firenena no masaka tao an-dohany. Nanambatra ny teknisiana avara-pianarana isam-paritany, niampy ny miaramila sangany tao anatin'ny tafika ity jeneraly ity satria izany no fantany fa hampilamina ny tany sy ny fanjakana. Nisy ihany ny fitakiana teny amin'ny arabe no notanterahiny, toy ny fanafoanana ny karatra isan-dahy, ny fidedahana ho fialan'ny firenena malagasy tao amin'ilay fari-bola Franc tato aoriana kely. Fa tsy nionona tamin'ireo na dia tsy nisy nanery azy loatra aza, fa nampanao fitsapan-kevi-bahoaka ny tenany ny 8 oktobra 1972 mba ho didy aman-dalàna fototra hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Saingy tsy ampy e !

Tsy voatsangana ny firenena Malagasy

Tsy hain'ny teknisiana sy ny miaramila niseho azy ho dadany tamin'izany ny nanangana na koa nahazo tsara ilay hevitra novoizin'ilay fihetseham-bahoakan'ny taona 72. Ny sasany tao anatin'ny governemanta dia nifanavaka sy nifanao an-dolompo tamin'ny fanavahana ara-piaviana, te hampizotra ny fitiavan-tena sy ny fiarovana ny tombotsoan'ny « mpaniraka ». Izany no manam-pahaizantsika izay novolavolain'ny mpanajanaka ho lasa tompomenakely fotsiny.

Namerina an-jambany ny fahadisoan'ny tantaran'ny firenentsika izy rehetra ireo. Tsy voavaha ny olana fa vao mainka nahazo laka ny fahasamihafana, ary hita niharihary ny maha-saribakoly ahetsika ny mpanao politika Gasy. Tsy voatsangana ny firenena malagasy, satria ny fananganana an'izany firenena izany niatomboka tamin'ny fitondran'Andrianampoinimerina sy Ilaidama dia nadika vilana ho fanjanahana ataon'ny Merina avy aty anivon-tany. Nolazaina fa tenim-panjanahana ny fiteny Merina, ary ny hevitry ny « ranomasina no valam-parihiko » dia fanitarana ny fanjakana Merina hibodo an'i Madagasikara iray manontolo.

Io ilay tantara diso satria ny faharesen'ny fanjakana Merina (raha izay tokoa) tamin'ny taona 1896 naha-zanatany antsika dia natao ho lalàna fa i Madagasikara iray manontolo no zanatany. Koa raha hanangana ny firenena Malagasy isika rehetra voahodidin'ny sisin-tanin'i Madagasikara dia tsy maintsy mifanaraka izay ho teny ampiasaintsika, ny fomba sy ny tandro hasina hifanarahantsika, ny dinam-piaraha-monina tena maharesy lahatra antsika, ary indrindra ny fanjakana hajorontsika. Tsy mbola nisy vita ireo (na iray aza) mandraka ity ny anio, ary izany hatrany no mahatonga ny krizy hiverimberina eto. Tsy vitan'ny Jeneraly Ramanantsoa ny nanangana ny firenena Malagasy satria tratran'ny adim-borontsiloza ny tenany, ka voatery nitady « sorona » omena ny « taolana », koa tsy nahagaga raha nirava ho azy teto ny momba ny hasin'ny hetsiky ny tolon'ny taona 72.

Fananganana firenena fa tsy fampihavanana fotsiny

Tsy niandry ny « rotaka » hiverina ny Jeneraly Ramanantsoa fa nitady lalan-kivoahana toy ny fanjakana PSD ihany. Vita ny « sorona » ny 11 febroary 1975, ary dia naverina indray ilay firaha-mitantana sadasada teo amin'ny miaramilantsika izay tsy mahafantatra akory ny tena dikan'ilay anton'ny fihetseham-bahoka.

Tsy mahagaga raha miverimberina ny fidinana an-dalam-be ny taona 1991 sy ny 2002 notohizan'ny 2009 hatramin'izao 2011 izao : Ny mpanao politika mihevitra fa ny fanaterana ny mpitarika ho any anaty lapam-panjakana no mampihetsika ny vahoaka Gasy (fa tsy Merina fotsiny) hatrizay. Ny miaramila koa dia tsy mahafantara akory ny dikan'ilay hoe firenena malagasy.

Ireo vahoaka kosa anefa dia ny ho fananganana ny firenena Malagasy mihitsy no any an-dohany any, raha fantany fa efa mitoetra sy miverina mitantana ity Madagasikara ity, ny «olom-panjakana sy/na olom-pirenena Malagasy » dia tsy mihetsika intsony io vahoaka io, fa hirona any amin'ny fampandrosoana amin'izay.

Miverina ny tantara nanjo ny Jeneraly Ramanantsoa sy ny tetezamitany ankehitriny : Tsy maintsy mitady lalan-kivoahana ho azy ny mpitarilka ny fahefana avo, fa raha tsy izany dia hiverina ny « sakoroka », ny rotaka, ny hotakotaka satria mila manangana ny fireneny ny Gasy. Tsy mbola ny mpitarika ankehitriny no hahavita samirery an'izany, toa an-dRamanantsoa, Ratsimandrava, Ratsirahonana. Ary raha tsy vonona ny hanangana ny firenena Malagasy, ao anaty fampihavanana ny mpanao politika sy ny olompirenena eto dia mbola ho sasa-poana ihany.