dimanche 4 mars 2012

FFKM: ny an-tratra tsy lavo, dia antsoy koa ny dadaben’ialahy / Aiza ireo nantsoina ho mpanara-maso ny fanatanterahana ny tondrozotra? FFKM, RAIAMANDRENY MIJORO, CNOSC, FINONA


Tsy hiverina intsony amin'ny fizotry ny fanatanterahana ny tondrozotra ny izahay.

Azonao jerena eto ny lahatsoratra efa niresahana betsaka izany http://www.ramarovahoaka.blogspot.com/2012/02/sommet-des-4-appel-aux-4-chefs.html (miala tsiny fa amin'ny teny frantsay). Efa tara kely ihany satria dia efa niampy indray ny dingana vita dia ny fananganana ny CENI-T (mpikarakara ny fifidianana ho avy).

Raha fintinina dia izao: mandroso ny fanatanterahana ny tondrozotra na dia tsy mandeha malaky araky ny nantenanina aza. Safidin-tsika (ary safidy tsara) ny nampifangaroana ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra ao anatin'ny antsoina hoe Tetezamita iraisana sy manaja ny marimaritra iraisana mba ho antoka ho antsika hananana fifidianana marina sy mangarahara ary malalaka satria dia mifampiambina ny roa tonta.

Ny tambiny dia misy mifandrirotra ny eo amin'ny samy minisitra ohatra. Ny fanafodin'izany dia tsy ny miverin-dàlana fa manao izay hamerenana haingana ny ara-dalàna amin'ny alalàn'ny fifidianana mba hahazoana mpitondra mitovy hevitra hitondra fanatsaràna eo amin'ny fiainan'ny vahoaka.

Ny olana amin'ny tondrozotra amin'izao fotoana izao dia ny fanaraha-maso ireo mpifaninana, mijery raha manaja tokoa sy manatanteraka izay ao anaty tondro-zotra rizareo.

Raha tsy raharaham-pirenena fa ady baolina dia ny arbitre no tsy eo.

Hany ka mifampiapanga ny andaniny sy ny ankilany. Ary indrindra (henatra be vava eo anoloan'ny tany ama-monina), voatery miantso ny any am-pita (ny vazaha) hitsoka sifflet. Vokany: toa hoatry ny vazaha no mibaiko sy manery amin'ny fanatanterahina ny tondrozotra.

Nefa ny tondrozotra dia milaza mazava (art 28) fa anjaran'ny FFKM, RAIAMANDRENY MIJORO, CNOSC, FINONA ny manaraka sy manaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra. Tsy manefa ny andraikiny rizareo satria nahoana? Miandry torolalàna avy any ivelany indray ve? Sa tsy mahay mifanaraka amin'ny fomba hanatanterahana ny asa?

Raha ny tena marina anie dia rizareo no "Fahefana avon'ny fanajàna ny tondrozotra" (Haute cour de la Feuille de route) na dia tsy voateny aza izay anarana izay ao amin'ny tondrozotra.

Maika dia maika ny tokony hijerena akaiky io rafitra io. Zavatra roa loha ny tokony hataonareo FFKM , RAIAMANDRENY MIJORO, CNOSC, FINONA raha ny hevitray:

1) Miantso fivorian'ny filohan'ny andrim-panjakana 4 (Andry Rajoelina, Omer Beriziky, Mamy Rakotoarivelo, Dolin Rasoloarisoa) hifanaraka amin'ny fomba fiasa

2) Fihaonan-drizareo hanangana amin'ny fomba ofisialy sy ara-dalàna io "Haute Cour de la Feuille de route" io sy handrakitra an-tsoratra ny fomba fiasa.

Voalazan'ny tondrozotra fa ny « Communauté internationale » dia hanohanana amin'ny fanomezana ny hoenti-manatanteraka ny asan-drizareo dia ny « fanaraha-maso ny sy fanarahana ny fanantanterahana ny tondrozotra ».

Aoka re ry FFKM sy ny namany mba tsy hiandry hotolorana lava fa mba mandraisa « initiatives »:

1) Hianareo no tokony ho eo anelanelan'ny birao maharitry ny SADC sy ny mpanao politika fa tsy ho ireto mpanao politika ireto no isak 'izay mihetsika dia hanao rano lava handeha hiresaka mivantana amin'ny birao maharitry ny SADC. Toy ny Haute Cour Constitutionnelle izay mijery raha mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny ataon'ny fanjakàna, hianareo no mijery raha manaja ny tondrozotra ny ataon'ny fanjakàna tetezamita.

2) Hianareo no tokony hibedy ny mpanao politika raha tsy manatontosa ny zavatra voarakitry ny tondrozotra ara-potoana rizareo(fotoana izay hifanarahanareo aminy mialoha).

3) Hianareo no tompo-teny farany amin'ny fandikàna ny hevitry ny tondrozotra
raha misy ny fifanolanana amin'ny fahazoana izay lazainy.

Raha izay no tafapetraka dia mino zahay fa handroso haingakaingana kokoa ny fanatanterahana ny tondrozotra
. Izay no làlana efa misy, voasoratra, voasonia ary azo antoka hahatonga antsika any amin'ny famerenana ny ara-dalàna
amin'ny fifidianana izay ho mpitondra. Fa tsy ho ny fiovan-kevitra lava isaky ny tojo fahasahiranana
ka hikaroka isan'andro lalam-baovao hivoahana amin'ny krizy na handrafitra tondrozotra vaovao. Aoka re handroso fa tena efa mby an-koditra ny fahantràna.

Mahereza, mahareta fa manakaiky ny fivoahana amin'ny tonelina



 

2 commentaires:

Anonyme a dit…

Aoka izay !
Revenons au chose simple ; On a les moyens pour cela : la tête, puis le coeur.

Anonyme a dit…

Salama Ramarovahoaka.
Niresaka isika omaly ary ho hatombotsika amin'izay ny dinika momban'i Manakasintsara.
Ny bildozera rehefa mandeha, tsy mirotoroto, saingy rehefa lasa izy, tsy mijanona intsony.

Hitohy ny dinika sy ny resaka :
Efa hita io no sehatra hanaovana azy.