lundi 30 juillet 2012

Antso avo hanamafisana sy hanafaingànana ny fanatanterahana ny tondrozotra


Niharihary toy ny vay an-kandrina ary fa tsy ny fitandrovana ny filaminana toy ny nodradradrain-dRajoelina no mahatonga azy nanakana ny fodian'I Ravalomanana mivady. Porofo mitohoka amin'ny tenda iny "raharaha Lalao Ravalomanana" iny.
Raha fanahy iniana dia azo kilasiana ho fahakingàna ara-politika avy amin-dRavalomanana iny satria dia sahirana Rajoelina fa handroso maty renibe moa hihemotra maty raibe. Ka dia nitsambikina tao anatin'ny fandrika voavelatra no niafarany.
Na tiana na tsy tiana dia hisy fiantraikany amin'ny fihaonan'izy roalahy manaraka iny raharaha iny.
Na inona na inona no ho vokatry ny fihaonan'izy 2 lahy ny finoako dia tsy miova:
- ny fifidianana irery ihany
no hahatafavoka antsika amin'izao krizy izao. Ny safidy hafa toy ny fanesorana an-dRajoelina na andalambe na fifanarahana dia tsy dia fomba tsara
- tsy maintsy ao anatin'ny fiaraha-mitantana ny mpanohitra mba hanakelezana ny riskan'ny halatra amin'ny fifidianana
Azo heverina ho antony ampy hamisavisavàna ny fialàna amin'ny fiaraha-mitantana
ny tetezamita iny "raharaha Lalao Ravalomanana" iny. Tsy hanome tsiny ny olona voatarika ho amin'izany zahay. Nefa ataoko fa tsy manana zo hanao izany isika satria dia ny vahoaka no saziantsika amin'izany. Mila mandefitra isika na dia be aza ny hatezerana ka tsy hijery afa-tsy izay ho an'ny vahoaka.
Antso avo ary no alefa hanamafisana sy hanafaingànana ny fanatanterahana ny tondrozotra mba hahatongavana any amin'ny fifidianana madio sy mangarahara:
  1. ANTSO AVO HO AN'NY ANKOLAFY RAVALOMANANA
Tohizo ny fanoherana sy famakiana bantsilana izay tsy fanajàna ny tondrozotra. Ampiasao izay mba fitaovana eo am-pelatananareo toy ny tsy fantrehana ny filankevitry ny minisitra mba hampisy lanjany ny hetsika ataonareo. Aoka anefa tsy ho azon'ny fakampanahy hiala amin'ny fiaraha-mitantana satria dia izay no andrasan'I Rajoelina hahazoany milaza amin'ny Communautés internationales fa ianareo no sakana. Mahereza na dia betsaka aza ny fanaratsiana sy fanosorampotaka anareo na avy amin'ny mpifanandrina na ny avy amin'ny sasany ao amin'ny ankolafy Ravalomanana ihany aza.
  1. ANTSO AVO HO AN'NY CENIT SY NY FIRENENA MIKAMBANA
Aoka tsy hajanona ny asa satria hoe misy ny fivorian'izy roalahy. Aoka handroso hatrany. Voalohany amin'izany ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana amin'ny fotoana efa nomena dia ny fiandohan'ny volana aogositra. Anjaran'izy roalahy ny manaraka.
  1. ANTSO AVO HO AN'NY PRAIMINISITRA SY NY GOVERNEMANTA
Aoka hiroso hatrany. Avoahy amin'ny fomba ofisialy ny kalendrie fanatanterahana ny artikla rehetra ao amin'ny tondrozotra izay nomanin'ny Komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra, ary aoka hapetraka amin'ny fomba ofisialy io rafitra lehibe io. Tohizo ny ezaka tsy haharava ny governemantan'ny firaisam-pirenena ka aoka hijoro hanohitra ny fanapahan-kevitra samirery avy amin'ny filohan'ny FAT sy ny manodidina azy.
Tsindriana manokana eto ny tokony handrafetana dieny izao ny lalàna mandrindra ny fanoloana ireo izay hilatsaka hofidina enim-bolana mialoha ny fifidianana. Raha tsy voalamina dieny izao io dia ho lasa olana lehibe hampikatso ny tondrozotra indray.
  1. ANTSO AVO HO AN'NY KOMITY MPANARAMASO NY FANATANTERAHANA NY TONDROZOTRA
Aoka hojerena raha manaraka ny tondrozotra na tsia ny lalàna nolanian'ny parlemanta farany momba ny fifidianana. Aminay manokana dia tsy ara-tondrozotra iny satria tsy eken'ny rehetra.
  1. ANTSO AVO HO AN'NY LANTO RAKOTOMAVO SY HERY RASOAMAROMAKA ARY NY TGV
Asa na diso ny fijeriko fa dia alefako ny antso. Aoka hatanjaka noho ireo mpamporisika amin'ny ratsy
(Ratsirahonana, Resampa) manodidina an'I Rajoelina hianareo tanora ka mba afaka hitarika azy any amin'ny famahàna ny krizy.
  1. ANTSO AVO HO AN'NY PARLEMENTERA
Tsarovy fa tsy olomboafidy ianareo fa olomboatendry. Tsy afaka misandoka ho maro an'isa ianareo amin'izay fandaniana ny lalàna. Ary tsarovy lalandava fa tsy ny eken'ny maro an'isa no mibaiko ny tetezamita fa ny eken'ny rehetra, izany hoe ny marimaritra iraisana.
  1. ANTSO AVO HO AN'NY SADEC SY IREO 11 NANAO SONIA
Aoka mba hasiana fanovàna ny TONDROZOTRA ka ho raisina ho fetra faran'ny Tetezamita ny datin'ny fifdianana (may – jona 2012) izay ho filoham-pirenena havoakan'ny CENIT sy ny firenena mikambana. Ao anatin'izany fanovàna izany dia hapetraka fa raha tsy tanteraka izany dia tsy mahazo mitantana ny tetezamita intsony ireo mpitantana ankehitriny (filoha, PM sy governemanta, CT, CST). Ny komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra no manendry ekipa vaovao (PM sy governemanta) hitondra vonjimaika mandra-pahavoafidy ny filohampirenena vaovao izay ho tanterahina ao anatin'ny 3 volana ary ny CENIT no miandraikitra manontolo azy.
    

Aucun commentaire: