samedi 13 avril 2013

Anisan’ny tokony hampihavanina Monseigneur Odon Razanakolona fa tsy mpampihavana

Ny fampihavanam-pirenenana
tsy fivoriana an-databatra boribory dia samy milokaloka fa handeha hifankatia.

Ny fampihavanam-pirenena
tsy ny fivazavazana hoe andao hifamela heloka, dia mifandray tànana dia mifanoroka

Tsia, ny fampihavanam-pirenena dia asa lavitrezaka haharitra volana maromaro eny mety ho taona maromaro.

Mila fanadihadiana lalina sy tsy miangatra ary am-pahibemaso ny krizy maro sy lalantsarotra nolalovan'ny firenena, arahin'ny fampiharihariana ireo izay diso sy solafaka. Ary ho an'ireo voaporofo fa nahavita ratsy tamin'ny mpiray tanindrazana ka mibebaka am-pahibemaso dia homena azy ny famelankeloka avy amin'ny vahoaka Malagasy.

Tsy misy antony ara-pivavahana
izany famelan-keloka izany fa famakiana ny vay ary fanasitranana azy tanteraka mba hahafahan'ny firenena Malagasy mahatsapa indray fa tena iray vatsy – iray aina tokoa.

Tsy resaka fitsarana
koa fa fampibaribariana ny marina mba hahafahana manorina indray ny firenena Malagasy

Satria rehefa mazava ny lasa, voavaky bantsilana ny nampisarabazana, naverina ao an-tsaina indray fa iray isika Malagasy, na kristiana na tsia, dia afaka mitodika any amin'ny ho avy amin'izay hiara-miaina amim-pirahalahiana, hiara-hanabevoho ny tanindrazana ary hiara-manompo ny firenena ho an'ny soa iombonana.

Noho izany no ilazànay fa mpandainga sy mpamitaka izay milaza fa hampihavanana aloha vao
hifidy. Fomba ankolaka hanesorana amin'ny Malagasy ny zony hifidy izay hitondra azy hamelonaina indray ny firenena Malagasy izany.

Tsia tompoko, tsy olom-boatendry sy mifanendry no hanankinana ny fampivahanana
ary indrindra hanao ala-safay ao anatin'ny 1 volana na 2 volana monja. Hevi-petsy hitazonana ny firenena mbola ho tantanan'ny olom-boatendry izany. Lalan-tokana no banjino: fametraham-pahatokisana amin'ny Malagasy hifidy izay hitondra azy fa efa mby an-koditra ny fahoriana.

Eto ary dia ambara ampahibemaso fa tsy Mgr Odon Razanakolona mialokaloka ao ambadiky ny FFKM no ho azo anankinana izany fampihavanana izany. Anisàn'ny marina tokony habaribary amin'ny fanaovana ny tena fampihavanam-pirenena voalaza etsy ambony ny andraikiny nandritra izay 4 taona manjombona niainan'ny firenena izay nanomboka tamin'ny 2009.

Averina indray ary ny antso avo hiarovan'ny tsirairay ary antsoina manokana ny vato nasondrotry ny tany hiaro ny datin'ny 24 jolay 2013 ho daty hisafidianana izay ho filohan'ny Nosy.